SAINO DIENY IZAO (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA, FJKM Atsimon'Imahamamsina) Tonony: Pasteur RANDRIALIVA Seheno / Feony: Rivo RAKOTOARIMALALA 1) Fandalova-miserana ihany, ny hatanorana eto antany. Ka manaitra ny fanahy sy saina, hiteny hoe mamy ny miaina; Rendrarendram‐piainana mandalo, tsara nefa aza atakalo. Lay fiainana mandrakizay, ampanantenain' Ilay Ray.
REFRAIN Zao no hambarako aminao, SAINO tsara DIENY IZAO; Raha samy ho faty ihany, tsy aleo mamela mamy; Ho tsarovana hatrany hatrany. Moa mba efa fantatrao izay hiafaranao? Ka fidionao izao anio, ‘Lay fahasambarana madio.
2) Fitiavam‐ bola sy harena, dia manjaka koa ny halemena. Zany sisa no hiainana eto, dia sasatra ny fonao ny misento; Toa tsy mba mahita fifaliana, raha tsy ditra sy ny haratsiana. Nefa re hatraiza moa izany, moa tsy nenina no hiafarany.
You can leave your e-mail and we will let you know when the broadcast of the station will be online again:
Or listen to the other country__dec_name stations